Isaiah 57:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary amin’ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao; eny, ireny ihany no anjaranao; Ho an’ireny koa no nandrarahanao fanatitra aidina sy nanoloranao fanatitra dorana manontolo; koa hahatsindry fo amin’izany va Aho?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny vato kilonjy eny an-dohasahan-driaka, no anjaranao, izany dia izany no anjaranao! Fa ireny avy no nanidinanao fanatitra araraka, sy notoloranao fanatitra! Moa tsy maintsy hahafa-po Ahy va izany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ny vatokilonjy eny amin’ny lohasahan-driaka no indreo zavatra ifikiranao, ry Israely; eny, ireny tokoa no zavatra ifikiranao! Fa ireny no andrarahanao fanatitra divay sy anoloranao fanatitra hohanina; ka dia hahatsindry fo ve Izaho Tompo amin’izany toe-javatra izany?
Malagasy Bible 1865
Ao amin'ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao, eny, ireny ihany no anjaranao; ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin'izany va Aho?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary amin’ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao; eny, ireny ihany no anjaranao; Ho an’ireny koa no nandrarahanao fanatitra aidina sy nanoloranao fanatitra dorana manontolo; koa hahatsindry fo amin’izany va Aho?
malagasy