Isaiah 57:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolanam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao teo amin’ny fandriana izay nataonao malalaka, dia nanao fanekena tamin’ireny ianao; tia ny mandry aminy ianao ka mijery azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolàm-baravarana ianao, no nametraka ny fahatsiarovanao. Fa lavitra Ahy ianao miala rako-dambam-pandriana, miakatra ao sy manitatra ny fandrianao ianao, ary nandraikitra ny tambinao tamin’izy ireo; mankamamy ny fifamihinany aminao ianao, mandoto ny masonao ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao ambadiky ny tolàm-baravarana no nametrahanao ny ody fampahatsiarovana anao. Fa lavitra Ahy kosa no nitanjahanao sy niakaranao hankeo am-pandrianao ary nanalalahanao ny toerana teo. Dia nividy sakaiza maro ianao, ka finaritra matory miaraka aminy; ary nobanjininao ilay rantsam-batany.
Malagasy Bible 1865
Teo ivohon'ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin'izay hataon'ireny ianao; tia ny fandriana aminy ianao ka nizaha toerana ho anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Teo ivohon’ny varavarana sy ny tolanam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao teo amin’ny fandriana izay nataonao malalaka, dia nanao fanekena tamin’ireny ianao; tia ny mandry aminy ianao ka mijery azy.
malagasy
Teo ivohon'ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin'izay hataon'ireny ianao; tia ny fandriana aminy ianao ka nizaha toerana ho anao.[Na: Ary nojerenao ny famantarana (Heb. tanana)]