Isaiah 57:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nivezivezy nankany amin’ny mpanjaka ianao nitondra diloilo ka nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nandefa ny irakao hatrany lavitra any ianao, ary nietry hatrany amin’ny fitoeran’ny maty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Miseho eo anatrehan’ny mpanjaka ianao mitondra diloilo: ataonao betsaka ny zava-manitrao; alefanao lavitra ny irakao; mietry hatrany amin’ny Seoly ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nivezivezy nankany amin’i Môlôka ianao ka nitondra diloilo sy zava-manitra betsaka; nandefa solotena hatrany lavitra any ianao, ka mova tsy hatrany amin’ny fonenan’ny maty no nampietrenao ny tenanao.
Malagasy Bible 1865
Dia nivezivezy nankany amin'ny mpanjaka ianao nitondra diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nivezivezy nankany amin’ny mpanjaka ianao nitondra diloilo ka nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nandefa ny irakao hatrany lavitra any ianao, ary nietry hatrany amin’ny fitoeran’ny maty*.
malagasy
Dia nivezivezy nankany amin'ny mpanjaka ianao nitondra diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ianao. [Na: nihosotra][Na: nietry][Heb. Sheola]