Isaiah 58:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ezaho mafy ny antsonao fa aza atao moramora! Asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ny anjomara ka ambarao amin’ny oloko ny fahadisoany ary amin’ny taranak’i Jakoba ny fahotany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manezaha antso mafy, ka aza tanana ny feonao; ataovy manehoeho hoatra ny trômpetra ny feonao, ka ambarao amin’ny vahoakako ny fahotany, ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahadisoany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miantsoa mafy, fa aza atao malemy. Ataovy avo toy ny trompetra ny feonao. Vakio bantsilana amin’ny vahoakako ny fikomiany ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahotany.
Malagasy Bible 1865
Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, Asandrato ny feonao ho tahaka ny an'ny anjomara, ka ambarao amin'ny oloko ny fahadisoany Ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahotany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ezaho mafy ny antsonao fa aza atao moramora! Asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ny anjomara ka ambarao amin’ny oloko ny fahadisoany ary amin’ny taranak’i Jakoba ny fahotany!
malagasy
[Ny fivavahana marina, sy ny fivavahana tsy izy] Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, Asandrato ny feonao ho tahaka ny an'ny anjomara, ka ambarao amin'ny oloko ny fahadisoany Ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahotany;