Isaiah 58:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
NY TOMPO hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky anao na dia ao amin’ny tany karankaina aza ary hampatanjaka ny taolanao koa. Dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao ary ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary i Iaveh hitari-dalana anao mandrakizay; sy hamoky ny fanahinao eny amin’ny tany karankaina; ary hanome hery ny taolanao. Ho tahaka ny zaridaina tsara tondraka ianao, sy ho tahaka ny loharano velona, tsy manam-paharitana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitari-dalana anao hatrany ny TOMPO; na dia ao amin’ny tany karakaina aza ianao, dia hovokisany hanina sy hampahatanjahiny. Hanjary mahate hijery toy ny saha vonton-drano ianao na toy ny loharano miboiboika tsy mety ritra.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin'ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
NY TOMPO hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky anao na dia ao amin’ny tany karankaina aza ary hampatanjaka ny taolanao koa. Dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao ary ho tahaka ny loharano miboiboika izay tsy mety ritra.
malagasy