Isaiah 58:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, hamboarinao ny naorina hatry ny fony fahagola; ary ianao dia hatao hoe mpanamboatra ny rava, mpamelon-dalana hahatonga ny tany ho azo onenana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny taranakao hanorina indray ny rava ela; ianao hanangana ny fanorenana nalatsaka fahagola; ny olona hiantso anao hoe: Mpanamboatra ny banga, mpamelon-dalana hahatonga ny tany ho azo onenana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho ny ezakao, dia haorina indray ireo zavatra rava fahiny ary hatsangana indray ny fanorenana izay efa nilaozana hatry ny elabe; ary ianao dia hantsoina hoe: «Vahoaka mpamboatra ny manda simba sy mpamelona ny lalankely efa maty mba ho tsara honenana ao an-tanàna.»
Malagasy Bible 1865
Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, hamboarinao ny naorina hatry ny fony fahagola; ary ianao dia hatao hoe mpanamboatra ny rava, mpamelon-dalana hahatonga ny tany ho azo onenana.
malagasy
Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany.