Isaiah 58:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hiravoravo amin’NY TOMPO ianao, ary hasandratro eny amin’ny havoana amin’ny tany ianao, sy hofahanako amin’ny lovan’i Jakoba rainao, fa ny vavan’NY TOMPO no efa niteny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hahita fahafinaretana ao amin’i Iaveh ianao amin’izany; sady hasandratro toy ny mpandresy, eo amin’ny avo amin’ny tany, sy hampiaraniko amin’ny lovan’i Jakôba rainao; fa ny vavan’i Iaveh no efa niteny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia ho tonga loharanom-pifaliana ho anao Aho. Izaho TOMPO no hitondra anao ho mpandresy eny an-tendron-kavoan’ilay tany ka hampanaram-po anao amin’ny lovan’i Jakôba razanao. Fa ny vavako no mampanantena izany.»
Malagasy Bible 1865
Dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hiravoravo amin’NY TOMPO ianao, ary hasandratro eny amin’ny havoana amin’ny tany ianao, sy hofahanako amin’ny lovan’i Jakoba rainao, fa ny vavan’NY TOMPO no efa niteny.
malagasy
Dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.