Isaiah 58:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitady Ahy isanandro isanandro izy, ary ny hahalala ny lalako no sitrany, tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik’Andriamaniny; manontany Amiko ny fitsipiky ny fahamarinana izy ary maniry hanakaiky an’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mitady Ahy isan’andro isan’andro izy ireo, samy maniry hahalala ny lalako, mova tsy ny firenena efa nanaraka ny rariny, sy tsy mba nahafoy ny didin’Andriamanitra akory. Mangataka fitsarana marina amiko izy, ary maniry hohatonin’Andriamanitra:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isan’andro isan’andro dia mitady Ahy izy ary maniry hahafantatra ny lalako, tahaka ny firenena iray manao ny marina ka tsy nanary ny fitsipik’Andriamaniny. Ny fitsarana araka ny rariny no angatahiny amiko ary ny fanatrehako azy no zavatra irîny.
Malagasy Bible 1865
Nefa Izaho mbola tadiaviny ihany isan'andro isan'andro, ary ny hahalala ny lalako no sitrany. Tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik'Andriamaniny no fanontaniany amiko ny fitsipiky ny fahamarinana, sy aniriany ny hihavian 'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitady Ahy isanandro isanandro izy, ary ny hahalala ny lalako no sitrany, tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik’Andriamaniny; manontany Amiko ny fitsipiky ny fahamarinana izy ary maniry hanakaiky an’Andriamanitra.
malagasy
Nefa Izaho mbola tadiaviny ihany isan'andro isan'andro, ary ny hahalala ny lalako no sitrany. Tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik'Andriamaniny no fanontaniany amiko ny fitsipiky ny fahamarinana, sy aniriany ny hihavian'Andriamanitra. [Na: Sy fifaliany hanakaiky an']