Isaiah 58:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako, dia andro hampahorian’ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandrianany va? Moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan’NY TOMPO?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa izany va no fifadiana ankasitrahako? Izany va no andro fanetren’ny olona ny fanahiny? Ny miondri-doha hoatra ny zozoro, sy mandry amin’ny lasàka sy lavenona, dia izany va no antsoina hoe fifadiana, sy andro ankasitrahin’i Iaveh?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa fifadian-kanina toy izany ve no tiako, amin’ny andro ampahorîn’ny olona tena? Ny hampilofika ny lohany toy ny zozoro sy ny hitafy lamba fisaonana ary ny hatory mihosin-davenona! Izany ve no ataonareo hoe fifadian-kanina sy andro ankasitrahina eo amiko TOMPO?
Malagasy Bible 1865
Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako? Dia andro hampahorian'ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany, moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan'i Jehovah?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako, dia andro hampahorian’ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandrianany va? Moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan’NY TOMPO?
malagasy