Isaiah 58:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va sy ny hampiantrano ny ory manjenjena ary ny mba hanafianao izay hitanao mitanjaka ka tsy hihirim-belona amin’ny iray ra aminao ianao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa tsy ny hizaranao ny mofonao amin’izay noana va; sy ny hampiantranoanao ireo mahantra tsy manan-kidirana, sy ny hanafianao izay hitanao miboridana, ary ny tsy hivilianao tsy hijery ny tapaky ny tenanao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny hizarànao ny haninao ho an’ny noana sy hampiantranoanao ireo mahantra mirenireny, ny hampitafînao izay hitanao fa miboridana ka tsy hampihirimbelona anao eo anatrehan’ny namanao.
Malagasy Bible 1865
Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin'ny namanao ianao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va sy ny hampiantrano ny ory manjenjena ary ny mba hanafianao izay hitanao mitanjaka ka tsy hihirim-belona amin’ny iray ra aminao ianao?
malagasy
Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin'ny namanao ianao? [Heb. hiery ny nofonao]