Isaiah 58:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha izany dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao ary ho tonga haingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao no hialoha lalana anao ary ny voninahitry NY TOMPO no ho vodilalanao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany ny fahazavanao hiposaka hoatra ny fahazavan’ny maraina, ary ny fahasitrananao ho tonga faingana; ny fahamarinanao, hialoha lalana anao; ny voninahitr’i Iaveh ho vodilalanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izay dia hiposaka toy ny maraina ny fahazavànao ary ho tonga haingana ny fahasitrananao. Ny fanafahana anao no hialoha lalana anao, ary ny TOMPO mihitsy no ho vodilalanao.
Malagasy Bible 1865
Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan'ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr'i Jehovah ho vodi-lalanao
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan'ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr'i Jehovah ho vodi-lalanao