Isaiah 58:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany dia hiantso ianao ary hamaly NY TOMPO; eny, hanandratra ny feonao ianao ary hiteny Izy hoe: Inty Aho! Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondro miampanga ary ny fitenenan-dratsy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany ianao hiantso, ary i Iaveh hamaly; ianao hitaraina, ary Izy hanao hoe: «Inty Aho!» Raha esorinao tsy ho eo aminao intsony ny jioga, ny fanambànana sy ny teny manala baraka;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa miantso ianao, dia hamaly anao ny TOMPO; rehefa mitady vonjy ianao, dia hovaliany hoe: «Inty Aho.» Raha foananao eo aminao ny ziogam-pamoretana mbamin’ny fanendrikendrehana sy ny fitenenan-dratsy,
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan'ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany dia hiantso ianao ary hamaly NY TOMPO; eny, hanandratra ny feonao ianao ary hiteny Izy hoe: Inty Aho! Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondro miampanga ary ny fitenenan-dratsy,
malagasy