Isaiah 59:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, hitany fa tsy nisy olona na iray aza, ary talanjona Izy, satria tsy nisy mpanelanelana, koa ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitany fa tsy nisy olona teo, ary gaga izy fa tsy nisy nanalalana akory. Ka dia ny sandriny no nitsangan-kanampy Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitan’ny Tompo fa tsy nisy niraika akory, gaga Izy fa tsy nisy olona mpanelanelana; koa ny fahefàny ihany no nentiny hamonjy ary ny fahamarinany no nandrisika ny tenany.
Malagasy Bible 1865
Eny, hitany fa tsy nisy olona, sady talanjona Izy, satria tsy nisy mpanalalana, ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, hitany fa tsy nisy olona na iray aza, ary talanjona Izy, satria tsy nisy mpanelanelana, koa ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
malagasy
Eny, hitany fa tsy nisy olona, sady talanjona Izy, satria tsy nisy mpanalalana, ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.