Isaiah 59:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niakanjo fahamarinana tahaka ny fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ny lohany; niakanjo ny akanjo famaliana Izy; eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niakanjo ny fahamarinana ho fiarovan-tratra Izy, ary nametraka ny satro-pamonjena teo an-dohany; ny famaliana no nataony akanjo fiadiana, ary nihodidina tamin’ny fahasaro-piaro, toy ny amin’ny kapaoty izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, ny fahamarinana no nakanjoin’ny Tompo ho tahaka ny akanjo vy fiarovan-tena ary ny famonjena no nataony ho satro-by fiarovan-doha. Ny famaliana no toy ny fitafiana nanaovany ary ny fitiavana miredareda manentana Azy no toy ny lamba nisalorany.
Malagasy Bible 1865
Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin'ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niakanjo fahamarinana tahaka ny fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ny lohany; niakanjo ny akanjo famaliana Izy; eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
malagasy