Isaiah 59:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’NY TOMPO ny olona ary ny voninahiny dia hatramin’ny fiposahan’ny masoandro; ny fiaviny dia ho toy ny rano maria, ampandehanin’ny Fanahin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hatahorany hatrany andrefana ny Anaran’i Iaveh, ary hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro, ny voninahiny; fa ny fiaviny ho toy ny ony maria, hampandehanan’ny fofon’ain’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izay dia hohajaina ny anaran’ny TOMPO hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany; hohajaina ny fanatrehany be voninahitra, rehefa ho avy Izy toy ny ranomaria asesiky ny tafio-drivotra goavana.
Malagasy Bible 1865
Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran'i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin'ny fiposahan'ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin'ny Fanahin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran’NY TOMPO ny olona ary ny voninahiny dia hatramin’ny fiposahan’ny masoandro; ny fiaviny dia ho toy ny rano maria, ampandehanin’ny Fanahin’NY TOMPO.
malagasy
Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran'i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin'ny fiposahan'ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin'ny Fanahin'i Jehovah.[Na: Fa raha avy toy ny ony ny fahavalo. Ny Fanahin'i Jehovah hanangana faneva hisakana azy]