Isaiah 59:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha Izaho dia izao no fanekeko aminy, hoy NY TOMPO: Ny Fanahiko izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ny vavanao, na amin’ny vavan’ny taranakao, na amin’ny vavan’ny taranaky ny taranakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary Izaho kosa, dia izao no fanekeko amin’izy ireo, hoy i Iaveh: Ny Fanahiko izay ao aminao, sy ny Teniko izay hataoko ao am-bavanao, dia tsy ho tapaka tsy ho eo am-bavanao, sy eo am-bavan’ny zanakao, ary eo am-bavan’ny zanaky ny zanakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy koa ny TOMPO hoe: «Izaho kosa hanao izao fanekempihavanana izao aminy: ny Fanahiko hitoetra eo aminareo ary ny teniko dia efa teo am-bavanareo, ka samy tsy hiala aminareo hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny Fanahiko sy ny teniko dia tsy hiala aminareo na amin’ny zanakareo na amin’ny taranaky ny taranakareo. Izaho TOMPO no mampanantena izany.»
Malagasy Bible 1865
Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin'ny vavanao, na amin'ny vavan'ny taranakao, na amin'ny vavan'ny taranaky ny taranakao, hatramin'izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha Izaho dia izao no fanekeko aminy, hoy NY TOMPO: Ny Fanahiko izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin’ny vavanao, na amin’ny vavan’ny taranakao, na amin’ny vavan’ny taranaky ny taranakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy NY TOMPO.
malagasy