Isaiah 59:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny tananareo dia voaloto amin’ny ra, ary ny rantsantananareo amin’ny heloka; miteny lainga ny molotrareo, ary mibedibedy faharatsiam-panahy ny lelanareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria ny tananareo voaloto tamin’ny ra; ary ny rantsan-tananareo tamin’ny heloka. Ny molotrareo miteny lainga; ny lelanareo milaza teny ratsy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria voaloto amin’ny ra ny felatananareo ary voaloto amin’ny heloka ny rantsan-tananareo; lainga sy fanaratsiana no afafin’ny teninareo.
Malagasy Bible 1865
Fa ny tananareo dia voaloto amin'ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin'ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny tananareo dia voaloto amin’ny ra, ary ny rantsantananareo amin’ny heloka; miteny lainga ny molotrareo, ary mibedibedy faharatsiam-panahy ny lelanareo.
malagasy
Fa ny tananareo dia voaloto amin'ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin'ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.