Isaiah 59:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra eo amin’ny fitsarana araka izay tena izy; matoky ny misavorovoro sy miteny zava-poana izy; torontoronina fampahoriana izy ka miteraka loza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy misy mitory olona ara-drariny, na mandahatra momba ny adiny araka ny hitsiny; fa ny tsy izy no iankinany, ny lainga no alahany; torontoronina hevi-dratsy ny olona ka miteraka heloka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy ara-drariny no itorianareo olona, tsy araka ny toetra mahatoky no iadianareo am-pitsarana; porofo tsy azo antoka no ianteheranareo, zavatra tsy marim-pototra no teniteneninareo; torontoronina ny ratsy ianareo ka miteraka loza.
Malagasy Bible 1865
Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra eo amin’ny fitsarana araka izay tena izy; matoky ny misavorovoro sy miteny zava-poana izy; torontoronina fampahoriana izy ka miteraka loza.
malagasy
Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.