Isaiah 59:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tongony dia miriotra ho amin’ny ratsy sy milomay handatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tongony miriotra ho amin’ny ratsy, sy mimaona handatsaka ny ra tsy manan-tsiny; ny heviny dia hevitra mahameloka; fandravana amam-pandringanana no eo amin’ny alehany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihazakazaka erỳ ianareo hanao ratsy ary mirohotra hamono ny tsy manan-tsiny. Ny hanisy ratsy ny hafa ihany no kendrenareo; fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehanareo.
Malagasy Bible 1865
Ny tongony miriotra ho amin'ny ratsy sy mimaona handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tongony dia miriotra ho amin’ny ratsy sy milomay handatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehany.
malagasy
Ny tongony miriotra ho amin'ny ratsy sy mimaona handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany.