Isaiah 59:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary tsy mahatratra antsika ny fahamarinana; miandry ny mazava isika nefa indro ny maizina, ary miandry ny fahazavana nefa mbola ao amin’ny haizim-pito ihany no andehanantsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, nanalavitra antsika ny fitsarana marina, ary tsy tonga hatraty amintsika ny fahamarinana. Miandry ny mazava isika, kanjo ny haizina no indro eo; miandry ny fahazavan’ny andro, kanjo mandeha amin’ny maizina ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, dia lavitra antsika ny rariny ary tsy tonga amintsika ny hitsiny. Nanantena hahita fahazavana isika, kanjo indro haizina mikitroka; hazavàn’ny maraina no nandrandraintsika, kanjo haizim-pito no andehanantsika.
Malagasy Bible 1865
Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin'ny aizim-pito ihany no andehanantsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary tsy mahatratra antsika ny fahamarinana; miandry ny mazava isika nefa indro ny maizina, ary miandry ny fahazavana nefa mbola ao amin’ny haizim-pito ihany no andehanantsika.
malagasy