Isaiah 6:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy aho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan’ny tanàna ka tsy hisy mponina, ny trano tsy hisy olona, ary ny tany ho lao tanteraka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy aho: «Mandra-pahoviana, ry Tompo?» Ka hoy ny navaliny: «Mandra-paharingan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina, ka ny trano, tsy hisy olona intsony, ary ny tany ho rava sy lao;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia nanontany aho hoe: –Mandra-pahoviana anefa, Tompo ô? Dia namaly Izy hoe: –Mandra-pahasimba ny tanàna ka tsy hisy mponina intsony, mandra-paharava ny trano ka tsy hisy olona tavela ary mandra-pahalao tokoa ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan'ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy aho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan’ny tanàna ka tsy hisy mponina, ny trano tsy hisy olona, ary ny tany ho lao tanteraka.
malagasy
Ary hoy izaho: Tompo ô, mandra-pahoviana anefa? Dia hoy Izy: Mandra-pahafoanan'ny tanàna, ka tsy hisy mponina, Ary ny trano tsy hisy olona, Ary ny tany ho lao tokoa;