Isaiah 6:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary na misy ampahafolony aza sisa dia mbola hosimbana ihany koa izany; kanefa tahaka ny hazo terebinta sy ny hazo oaka izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, toy izany no mbola hisiana taranaka masina ho fotony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary na ny ampahafolon’ny mponina aza no sisa eo, dia mbola haripaka indray ihany koa ireo. Kanefa toy ny terebinta sy ny aoka, rehefa voakapa mbola manam-pototra; ny fototr’i Israely, dia ho tsimoka masina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha misy ampahafolon-tany tsy tratry ny loza aza, dia mbola hodorana amin’ny afo ihany koa izany; saingy ho tahaka ny hazo terebinta na ny ôaka izay mamela fototra ihany na voakapa aza. Kanefa avy amin’izany fototra tavela izany no hisian’ny taranaka masina indray.
Malagasy Bible 1865
Ary na dia misy ampahafolony aza sisa, Dia mbola hosimbana ihany koa izany Kanefa kosa tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka, Izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, Dia toy izany no mbola hisiana taranaka masina ho fotony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary na misy ampahafolony aza sisa dia mbola hosimbana ihany koa izany; kanefa tahaka ny hazo terebinta* sy ny hazo oaka izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, toy izany no mbola hisiana taranaka masina ho fotony.
malagasy
Ary na dia misy ampahafolony aza sisa, Dia mbola hosimbana ihany koa izany Kanefa kosa tahaka ny hazo terebinta sy ny ôka, Izay mbola misy fotony ihany na dia voakapa aza, Dia toy izany no mbola hisiana taranaka masina ho fotony.