Isaiah 6:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy aho: Lozako! Maty aho, fa lehilahy maloto molotra sady ato amin’ny firenena maloto molotra no onenako, nefa ny Mpanjaka, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy aho tamin’izay: «Loza ho ahy! maty aho! fa izaho olona maloto molotra; ary ny firenena itoerako maloto molotra; nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, Iavehn’ny tafika!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no efa hitan'ny masoko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy aho: Lozako! Maty aho, fa lehilahy maloto molotra sady ato amin’ny firenena maloto molotra no onenako, nefa ny Mpanjaka, dia Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko.
malagasy
Dia hoy izaho: Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra, sady ato amin'ny firenena maloto molotra no itoerako, fa ny mpanjaka, dia Jehovah, Tompon'ny maro, no efa hitan'ny masoko.