Isaiah 60:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany no hanompo anao; fa tamin’ny fahatezerako no namelezako anao, nefa amin’ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny taranaky ny firenen-kafa, no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany ho mpanomponao. Satria nikapoka anao tamin’ny hatezerako Aho, fa mamindra fo anao, amin’ny fitiavako kosa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny hafa firenena no hanamboatra indray ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao, hoy ny Tompo. Nikapoka anao Aho fony mbola tezitra fa mahafaly Ahy kosa ankehitriny ny haneho famindrampo aminao.
Malagasy Bible 1865
Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin'ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin'ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany no hanompo anao; fa tamin’ny fahatezerako no namelezako anao, nefa amin’ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao.
malagasy
Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin'ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin'ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao,