Isaiah 60:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho tonga aminao ny voninahitr’i Libanona, ny hazo kipreso sy ny hazo kesika ary ny kirihitra koa dia handravahana ny fitoerako masina, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho indray tonga ao aminao ny voninahitr’i Libàna, ny sipresy, ny platàna, ny boîsa, handravahana ny fitoerako masina, dia hataoko be voninahitra ny fitoerana hipetrahan’ny tongotro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny voninahitry ny hazo rehetra any Libano, dia ny kipreso sy ny sapay ary ny bokso, no indray ho tonga ao aminao mba handravahana ny Toeramasiko. Izany no hanomezako voninahitra ny trano misy ny fitoeran-tongotro.
Malagasy Bible 1865
Ny voninahitr'i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masina, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho tonga aminao ny voninahitr’i Libanona, ny hazo kipreso sy ny hazo kesika ary ny kirihitra koa dia handravahana ny fitoerako masina, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.
malagasy
Ny voninahitr'i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masina, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.