Isaiah 60:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hahatonga volamena Aho ho solon’ny varahina, ary hahatonga volafotsy ho solon’ny vy; varahina ho solon’ny hazo, ary vy ho solon’ny vato; ny fiadanana no hataoko mpanapaka anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Volamena no hampankanesiko atỳ ho solon’ny varahina; sy volafotsy no havantako atỳ ho solon’ny vy; sy varahina ho solon’ny hazo; ary vy ho solon’ny vato; ny fiadanana no hataoko mpitondra anao, ary ny fahamarinana no ho mpifehy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Volamena no hoentiko ao aminao, volamena ho solon’ny halimo, ary volafotsy ho solon’ny vy; halimo no hoentiko ho solon’ny hazo, ary vy ho solon’ny vato. Satria ny fahefana amam-pitondrana haoriko ao aminao dia ny fiadanana sy ny fahamarinana no hiompanany.
Malagasy Bible 1865
Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hahatonga volamena Aho ho solon’ny varahina, ary hahatonga volafotsy ho solon’ny vy; varahina ho solon’ny hazo, ary vy ho solon’ny vato; ny fiadanana no hataoko mpanapaka anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.
malagasy
Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.[Na: Hataoko fiadanana ny fanapahana anao ary fahamarinana ny mpampiasa anao]