Isaiah 60:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy ho re eo amin’ny taninao intsony ny fampahoriana, na ny fandravana sy ny fandringanana ao amin’ny faritry ny taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao dia hataonao hoe Fiderana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy ho re eo amin’ny taninao intsony izay hoe fampahoriana; na izay hoe fandravana amam-pandringanana, eo amin’ny faritaninao; ny mandanao antsoina hoe: i Famonjena, ary ny vavahadinao: i Fiderana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy ho re ao amin’ny taninao intsony ny fampahoriana na ao amin’ny faritaninao ny faharavana sy fahasimbana. Fa ny mandanao hantsoinao hoe: «Famonjena»; ary ny vavahadinao hantsoinao hoe: «Fiderana an’Andriamanitra.»
Malagasy Bible 1865
Ny fampahoriana tsy ho re eo amin'ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin'ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ny fampahoriana tsy ho re eo amin'ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin'ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana.