Isaiah 60:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny ondry aman’osy rehetra avy any Kedara dia hangonina ao aminao, ary ny ondrilahin’i Nebaiota no hampiasainao; hatao fanatitra eo ambonin’ny alitarako ireo dia hankasitrahana, ary hataoko mamirapiratra ny tranon’ny voninahitro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hivory ao aminao ny biby fiompy rehetra any Sedara; hozakainao ny ondralahin’i Nabaiôta, hiakatra ho fanatitra ankasitrahina eo ambony ôteliko ireny, ary hataoko be voninahitra ny tranon’ny voninahitrao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hangonina ao aminao avokoa ny ondry aman’osin’ny Kedarita, ary haroso amin’ny fanompoam-pivavahanao ny ondrilahin’ny Nebaiôta; hakarina eo amin’ny alitara ireny ho sorona ankasitrahin’ny Tompo. Dia izany no hampamirapiratany an’ilay tempoly itoeran’ny famirapiratany.
Malagasy Bible 1865
Ny ondry aman'osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin'i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin'ny fankasitrahana ho eo ambonin'ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon'ny voninahitro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny ondry aman’osy rehetra avy any Kedara dia hangonina ao aminao, ary ny ondrilahin’i Nebaiota no hampiasainao; hatao fanatitra eo ambonin’ny alitarako ireo dia hankasitrahana, ary hataoko mamirapiratra ny tranon’ny voninahitro.
malagasy