Isaiah 60:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Izaho no andrasan’ny nosy, ary ny sambon’i Tarsisy no hialoha lalana hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin’ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrao sy ho an’ny Iray Masin’ny Israely, satria manome voninahitra anao Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa Izaho no antenain’ny nosy; ary ny sambon’i Tarsisa no ho lohalalana; hamerina hankatỳ ny zanakao avy lavitra, mbamin’ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao, sy ilay Masin’i Israely, satria efa nomeny voninahitra ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sambo avy any amin’ny nosy lavitra any ireo no mitangorona tarihin’ny sambo vaventy. Avy lavitra tokoa no nitondrany ny zanakao miaraka amin’ny volafotsy sy ny volamenany: tonga izy hankalaza ny TOMPO Andriamanitrao, dia ilay Masin’i Israely Izay nampamirapiratra anao.
Malagasy Bible 1865
Fa Izaho no andrasan'ny nosy, ary ny sambon'i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin'ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao sy ho an'ny Iray Masin'ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Izaho no andrasan’ny nosy, ary ny sambon’i Tarsisy no hialoha lalana hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin’ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrao sy ho an’ny Iray Masin’ny Israely, satria manome voninahitra anao Izy.
malagasy