Isaiah 61:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny Fanahin’NY TOMPO Andriamanitra no ato Amiko, satria NY TOMPO efa nanosotra Ahy mba hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an’ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,
Malagasy Bible 1865
Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny Fanahin’NY TOMPO Andriamanitra no ato Amiko, satria NY TOMPO efa nanosotra Ahy mba hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo Izy ary hitory fanafahana amin’ny babo sy hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava,
malagasy
[Ny amin'ny Voahosotr'i Jehovah, Izay hanavotra ny Isiraely sy hampody ny voninahiny] Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava, [Heb. hamehy]