Isaiah 61:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hifaly dia hifaly ao amin’NY TOMPO aho, ho ravoravo ao amin’Andriamanitro ny fanahiko; fa notafiany fitafian’ny famonjena aho ary nampiakanjoiny akanjon’ny fahamarinana, toy ny mpampakatra manao fehiloha tsara tarehy tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina mihaingo amin’ny firavany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho revon-kafaliana eo amin’i Iaveh aho, ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho, ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hifaly dia hifaly amin’ny TOMPO aho; eny, hiravoravo amin’ny Andriamanitro satria ny famonjena no toa akanjo nampiakanjoany ahy ary ny fahamarinana no toa lamba nampitafiany ahy; ka faly toy ny mpampakatra misatroka fehiloha aho na toy ny ampakarina miraratra ny firavany.
Malagasy Bible 1865
Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hifaly dia hifaly ao amin’NY TOMPO aho, ho ravoravo ao amin’Andriamanitro ny fanahiko; fa notafiany fitafian’ny famonjena aho ary nampiakanjoiny akanjon’ny fahamarinana, toy ny mpampakatra manao fehiloha tsara tarehy tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina mihaingo amin’ny firavany.
malagasy
Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan'i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.