Isaiah 61:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona; eny, hanome azy fehiloha tsara tarehy ho solon’ny lavenona sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana, nambolen’NY TOMPO ho fampisehoam-boninahitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitondra ho an’ny tra-pahoriana ao Siôna sy hanasatroka azy ny satroboninahitra ho solon’ny lavenona, diloilo fifaliana ho solon’ny fisaonana akanjo firavoravoana, ho solon’ny fahareraham-po; dia hantsoin’ny olona hoe: terebintan’ny fahamarinana, volin’i Iaveh ho an’ny voninahiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manao fisaonana an’i Tsiôna ireo, kanefa hirahina aho hanome azy ribà fehiloha ho solon’ny lavenona amin’ny lohany, hanome diloilo manitra ho solon’ny alahelo sy fitafiana fitondra amin’ny fety ho solon’ny toetra manjoretra. Amin’izay no hiantsoana azy ireo hoe: «Hazo vokatry ny fitahiana, saha nambolen’ny TOMPO mba hanehoany ny famirapiratany.»
Malagasy Bible 1865
Hanolotra ho an'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon'ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
hanolotra ho an’ny malahelo ao Ziona*; eny, hanome azy fehiloha tsara tarehy ho solon’ny lavenona sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka mba hanaovana azy hoe Hazon’ny fahamarinana, nambolen’NY TOMPO ho fampisehoam-boninahitra.
malagasy
Hanolotra ho an'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon'ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.