Isaiah 61:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron’NY TOMPO; mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitsika no hilazana anareo; hohaninareo ny harenan’ny firenena ary ho reharehanareo ny voninahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ianareo kosa hataon’ny olona hoe: «mpisoron’i Iaveh.» sy hantsoin’ny olona hoe: «Mpandraharahan’ny Andriamanitsika.» Hihinana ny haren’ny firenena ianareo; hihaingo amin’ny zavatra kanto avy aminy, ary hitafy ny fiamboniana nananany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianareo kosa dia hantsoina hoe: « Mpisorona ho an’ny TOMPO», na holazaina koa hoe: «Mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ny Andriamanitsika.» Hanasoavana anareo ny fananan’ny firenen-kafa; ary ianareo no higalabona amin’ny voninahiny.
Malagasy Bible 1865
Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron'i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo ny haren'ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron’NY TOMPO; mpanao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitsika no hilazana anareo; hohaninareo ny harenan’ny firenena ary ho reharehanareo ny voninahiny.
malagasy
Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron'i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo ny haren'ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo. [Heb. Hohaninareo][Na: Ary ho reharehanareo sy voninahiny]