Isaiah 61:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny henatrareo dia hosoloana avo roa heny ary ny tondro-maso dia hosoloana hoby amin’ny anjara lovany; noho izany dia hahazo indroa heny ao amin’ny taniny izy ary fifaliana mandrakizay no ho azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho solon’ny henatrareo taloha, dia anjara roa no horaisinareo, ary ho solon’ny fahafaham-baraka, dia hifaly amin’ny anjarany avy izy ireo, ka dia hahazo anjara roa eo amin’ny taniny izy ireo, dia hisy fifaliana mandrakizay ho azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa nizaka henatra indroa heny ianareo sady afa-baràka sy nandroran’ny olona. Ka ho solon’izany, dia hoy Izaho Tompo hoe: Handova anjara indroa heny eo amin’ny taniny ianareo ary hanana fifaliana maharitra mandrakizay.
Malagasy Bible 1865
Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin'ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin'ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny henatrareo dia hosoloana avo roa heny ary ny tondro-maso dia hosoloana hoby amin’ny anjara lovany; noho izany dia hahazo indroa heny ao amin’ny taniny izy ary fifaliana mandrakizay no ho azy.
malagasy
Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin'ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin'ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy.