Isaiah 61:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Izaho TOMPO dia tia fitsarana marina; halako ny fandrobana amin’ny faharatsiam-panahy; homeko ny valin’asany amin’ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izaho Iaveh dia tia ny rariny, halako ny fandrobana atao amim-pamadihana; homeko ny valin’ny asany amim-pahamarinana izy, ary hanao fanekena mandrakizay amin’izy ireo Aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria Izaho TOMPO dia tia rariny ka mankahala ny fandrobana an-kafetsena; homeko onitra ara-pahamarinana ianareo ary hanaovako fanekempihavanana mandrakizay.»
Malagasy Bible 1865
Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin'ny faharatsiana; homeko ny valin'asany amin'ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Izaho TOMPO dia tia fitsarana marina; halako ny fandrobana amin’ny faharatsiam-panahy; homeko ny valin’asany amin’ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy.
malagasy
Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin'ny faharatsiana; homeko ny valin'asany amin'ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy. [Na: Halako ny halatra atao fanatitra odorana]