Isaiah 61:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho fantatra any amin’ny Jentilisa ny taranany, ary any amin’ny firenena ny terany; izay rehetra mahita azy dia hahafantatra fa taranaka notahin’NY TOMPO izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny taranak’izy ireo, halaza eny amin’ny firenena; ary ny tanimanga any amin’ny firenen-tsamihafa. Izay hahita azy hahalala azy avokoa, fa taranaka nosoavin’i Iaveh izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho fantatra any amin’ny firenen-kafa ny taranakareo, ary eo anivon’ireo vahoaka ny solofonareo; izay rehetra mahita azy dia hiaiky fa taranaka tahîn’ny TOMPO izy.
Malagasy Bible 1865
Ny taranany ho fantatra any amin'ny jentilisa ary ny terany any amin'ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho fantatra any amin’ny Jentilisa* ny taranany, ary any amin’ny firenena ny terany; izay rehetra mahita azy dia hahafantatra fa taranaka notahin’NY TOMPO izy.
malagasy
Ny taranany ho fantatra any amin'ny jentilisa ary ny terany any amin'ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin'i Jehovah.