Isaiah 62:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hangina Aho noho ny amin’i Ziona ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho ny amin’i Siôna tsy hangina aho, ary noho ny amin’i Jerosalema, tsy hiala sasatra aho, mandra-piposaky ny fahamarinany, hoatra ny hazavan’ny maraina; sy mandra-pamirapiratry ny famonjeny, hoatra ny fanilo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hangina aho noho ny fitiavako anao, ry Tsiôna ô, ary tsy hitsaha-miteny aho noho ny fitiavako anao, ry Jerosalema, mandra-piposaky ny fanafahana anao ho tahaka ny masoandro mamiratra, ary mandra-pibaliaky ny famonjena anao ho tahaka ny fanilo mirehitra.
Malagasy Bible 1865
Tsy hangina Aho noho ny amin'i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin'i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hangina Aho noho ny amin’i Ziona* ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin’i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra.
malagasy
[Ny handrosoan'ny voninahitr'i Jerosalema] Tsy hangina Aho noho ny amin'i Ziona, Ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin'i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra.