Isaiah 62:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mivoaha, mivoaha amin’ny vavahady! Amboary ny lalana halehan’ny olona! Totofy tsara ny lalambe, esory ny vato eny aminy! Manangàna faneva ho tazan’ny firenena!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mivoaha, mivoaha amin’ny vavahady ianareo, areno ny lalan’ny vahoaka. Savao, savao ny arabe, esory ny vato eo aminy; manangàna saina eo ambonin’ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry mponin’i Jerosalema, mivoaha tao an-tanàna, mivoaha amin’ny vavahady, anokafy lalana ny vahoaka mody, ataovy mitovy tantana ny arabe ka esory ny vato eo aminy ary atsangano ny faneva hanaingana ireo firenena.
Malagasy Bible 1865
Mivoaha, mivoaha amin'ny vavahady, amboary ny lalana halehan'ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangàna faneva ho tazan'ny firenena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mivoaha, mivoaha amin’ny vavahady! Amboary ny lalana halehan’ny olona! Totofy tsara ny lalambe, esory ny vato eny aminy! Manangàna faneva ho tazan’ny firenena!
malagasy
Mivoaha, mivoaha amin'ny vavahady, amboary ny lalana halehan'ny olona; asandrato ho avo ny lalambe; esory ny vato eny aminy; manangàna faneva ho tazan'ny firenena.