Isaiah 62:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, efa nanambara hatrany amin’ny faran’izao tontolo izao NY TOMPO hoe: Lazao amin’i Ziona zanakavavy: Indro avy ny famonjena anao; indro ny valim-pitia hatolony dia miaraka Aminy, ary ny valin’asa homeny dia eo anoloany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no nambaran’i Iaveh, hatrany amin’ny faran’ny tany: «Lazao amin’ny zanaka vavin’i Siôna hoe: Indro, avy ny Mpamonjy anao; ny valisoa homeny efa eny aminy; ary ny tamby hatolony efa eo anoloany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Injay nisy baiko nampitain’ny TOMPO hatrany amin’ny faran’ny tany! Koa lazao amin’ny olona ao Tsiôna hoe: «Indro tonga ny Mpamonjinareo, indro entiny miaraka aminy ny karama azony ary eo anoloany ny valin-kasasarany.»
Malagasy Bible 1865
Indro, Jehovah efa nanambara hatrany amin'ny faran'izao tontolo izao nanao hoe: Lazao amin'i Ziona zanakavavy: Indro, avy ny famonjena anao; Indro; ny valim-pitia hatolony dia ao aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, efa nanambara hatrany amin’ny faran’izao tontolo izao NY TOMPO hoe: Lazao amin’i Ziona zanakavavy: Indro avy ny famonjena anao; indro ny valim-pitia hatolony dia miaraka Aminy, ary ny valin’asa homeny dia eo anoloany.
malagasy
Indro, Jehovah efa nanambara hatrany amin'ny faran'izao tontolo izao nanao hoe: Lazao amin'i Ziona zanakavavy: Indro, avy ny famonjena anao; Indro; ny valim-pitia hatolony dia ao aminy, ary ny valin'asa homeny dia eo anoloany.Ary Ireny hotononina hoe Firenena masina, dia olona navotan'i Jehovah; ary ianao dia hatao hoe Ilay notadiavina, Tanàna tsy foy.