Isaiah 62:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hahita ny fahamarinanao ny firenena, ary ny mpanjaka rehetra dia hahita ny voninahitrao; homena anaram-baovao ianao, izay hotononin’ny vavan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hahita ny fahamarinanao ny firenena, hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra, ka hantsoina amin’ny anaram-baovao ianao, izay hofidin’ny vavan’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny firenen-kafa hahita ny fanafahan’ny Tompo anao ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; anarana vaovao no hiantsoana anao, dia izay hotononin’ny vavan’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao ianao, Izay hotononin 'ny vavan'i Jehovah;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hahita ny fahamarinanao ny firenena, ary ny mpanjaka rehetra dia hahita ny voninahitrao; homena anaram-baovao ianao, izay hotononin’ny vavan’NY TOMPO.
malagasy
Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao ianao, Izay hotononin'ny vavan'i Jehovah; [Heb. hotendren']