Isaiah 62:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianao dia tsy hatao intsony hoe Nafoy, ary ny taninao dia tsy hatao intsony hoe Lao, fa ianao dia hatao hoe Ilay ankasitrahako, ary ny taninao dia hatao hoe Vady ampakarina, satria ankasitrahan’NY TOMPO ianao, ary hampakarina ho vady ny taninao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hisy intsony hanao anao hoe «i Nafoy»; ary tsy hisy intsony hiantso ny taninao hoe «i Faharinganana.» Fa ny hiantsoana anao dia hoe «I Ankasitrahiko»; ary ny taninao «i Vady ampakarina». Satria i Iaveh hankasitraka anao; ary ny taninao hahazo vady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianao tsy hatao intsony hoe «ilay tanàna nafoy» ary ny taninao tsy hatao intsony hoe «ilay tany lao»; fa ianao dia hantsoina hoe «ilay sitraky ny TOMPO», ary ny taninao hatao hoe «ilay vady ampakarina.» Satria ho sitraky ny Tompo ianao ary ny taninao hanana vady mpampakatra.
Malagasy Bible 1865
Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak'i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianao dia tsy hatao intsony hoe Nafoy, ary ny taninao dia tsy hatao intsony hoe Lao, fa ianao dia hatao hoe Ilay ankasitrahako, ary ny taninao dia hatao hoe Vady ampakarina, satria ankasitrahan’NY TOMPO ianao, ary hampakarina ho vady ny taninao.
malagasy