Isaiah 62:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijiny ho vadiny no hampakaran’ny zanakao lahy anao; ary tahaka ny fifalian’ny mpampakatra amin’ny ampakariny no hifalian’Andriamanitrao aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tahaka ny ampakaran’ny zatovo ny virjiny ho vadiny, no hampakaran’ny zanakao anao; ary tahaka ny hamalifalian’ny ampakarina ny mpampakatra, no hamalifalianao ny Andriamanitrao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahaka ny tovolahy mampakatra virijiny ho vady, dia hampakatra anao toy izany koa ilay Mpanorina anao, ry Jerosalema; ary tahaka ny fifalian’ny mpampakatra amin’ny tovovavy ampakariny no hifalian’ilay Andriamanitrao aminao.
Malagasy Bible 1865
Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijina ho vadiny no hampakaran'ny mponina aminao anao; ary tahaka ny fifalian'ny mpampakatra amin'ny ampakariny no hifalian'Andriamanitrao aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijiny ho vadiny no hampakaran’ny zanakao lahy anao; ary tahaka ny fifalian’ny mpampakatra amin’ny ampakariny no hifalian’Andriamanitrao aminao.
malagasy
Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijina ho vadiny no hampakaran'ny mponina aminao anao; ary tahaka ny fifalian'ny mpampakatra amin'ny ampakariny no hifalian'Andriamanitrao aminao. [Heb. zanakao-lahy]