Isaiah 62:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanendry mpiambina ho eny ambonin’ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô; koa na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny. Eny, ianareo izay mpampahatsiaro NY TOMPO, aza mitsahatra!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eo ambonin’ny mandanao, ry Jerosalema, no efa nametrahako mpiambina; ka tsy hangina intsony ireny, na andro na alina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry Jerosalema ô, efa nametrahako mpiambina eny ambonin’ny mandanao eny, ka tsy mahazo mangina ireo na andro na alina: «Ianareo izay mampahatsiaro ny TOMPO, aza mitsaha-manao izany ianareo!
Malagasy Bible 1865
Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin'ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an'i Jehovah, aza mitsahatra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanendry mpiambina ho eny ambonin’ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô; koa na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny. Eny, ianareo izay mpampahatsiaro NY TOMPO, aza mitsahatra!
malagasy
Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin'ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an'i Jehovah, aza mitsahatra;