Isaiah 62:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
NY TOMPO efa nianiana tamin’ny tanany ankavanana, dia tamin’ny sandriny mahery hoe: Tsy homeko hohanin’ny fahavalonao intsony ny varinao, ary ny hafa firenena dia tsy hisotro ny ranom-boalobokao izay efa nisasaranao;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Iaveh efa nianiana tamin’ny tanany ankavanana sy tamin’ny sandriny mahery hoe: «Ny varinao tsy homeko hohanin’ny fahavalonao intsony, ary tsy hosotroin’ny zanaky ny hafa firenena intsony ny divainao, vokatry ny fisasaranao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nataon’ny TOMPO izao fianianana izao: «Araka ny hery amam-pahefana feno ananako, dia mianiana aminao Aho, ry vahoakako, fa tsy hamela ny vary novolenao ho sakafon’ny fahavalonao intsony, ary tsy hamela ny divay nisasaranao hosotroin’ny vahiny intsony;
Malagasy Bible 1865
Jehovah efa nianiana tamin'ny tànany ankavanana, dia tamin'ny sandriny mahery, hoe: Tsy homeko hohanin'ny fahavalonao intsony ny varinao, ary ny hafa firenena tsy hisotro ny ranom-boalobokao izay efa nisasaranao;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
NY TOMPO efa nianiana tamin’ny tanany ankavanana, dia tamin’ny sandriny mahery hoe: Tsy homeko hohanin’ny fahavalonao intsony ny varinao, ary ny hafa firenena dia tsy hisotro ny ranom-boalobokao izay efa nisasaranao;
malagasy