Isaiah 63:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza moa ity avy any Edoma, avy any Bozra, miakanjo mena midorehitra, mareva-pitafiana sy miandranandrana amin’ny haben’ny heriny? Izaho izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza moa ity avy any Edôma, avy any Bôsrà, mitafy mena midorehitra? Mamirapiratra izy amin’izany fitafiana izany, mijoro amin’ny haben’ny heriny. - Izaho ity, izay miteny amim-pahamarinana, sady manan-kery hamonjy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza àry ity tonga avy any Edôma, avy any Bôtserà renivohiny, ka manao fitafiana miloko mena? Izato izy miedinedina amin’akanjo marevaka, miandranandrana amin’ny haben’ny heriny! –Izaho izany, hoy ny Tompo, dia Izaho izay mitory ny fanafahana sady manan-kery hamonjy!
Malagasy Bible 1865
Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin'ny haben ny heriny? Izaho Izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza moa ity avy any Edoma, avy any Bozra, miakanjo mena midorehitra, mareva-pitafiana sy miandranandrana amin’ny haben’ny heriny? Izaho izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.
malagasy
[Ny hamaliana an'i Edoma sy ny jentilisa sasany koa] Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin'ny haben ny heriny? Izaho Izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.