Isaiah 63:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny fidinan’ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan’ny Fanahin’NY TOMPO fitsaharana ho azy. Tahaka izany no nitondranao ny olonao mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
tahaka ny biby fiompy midina ho eny an-dohasaha? Notarihin’ny fanahin’i Iaveh ho amin’ny fitsaharana izy. Toy izany no nitarihanao ny vahoakanao, mba hahazoanao anarana be voninahitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy ny biby fiompy midina an-dohasaha no nitondran’ny Fanahin’ny TOMPO azy ho amin’ny toerana fialan-tsasatra.» Tompo ô, tahaka izany tokoa no nitarihanao ny vahoakanao mba hanananao laza mamirapiratra.
Malagasy Bible 1865
Tahaka ny fidinan'ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan'ny Fanahin'i Jehovah fitsaharana ho azy: Tahaka izany no nitondranao ny olonao, Mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny fidinan’ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan’ny Fanahin’NY TOMPO fitsaharana ho azy. Tahaka izany no nitondranao ny olonao mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.
malagasy
Tahaka ny fidinan'ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan'ny Fanahin'i Jehovah fitsaharana ho azy: Tahaka izany no nitondranao ny olonao, Mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.