Isaiah 63:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitsinjova eny an-danitra ka mijere eny amin’ny fonenan’ny fahamasinanao sy ny voninahitrao: Aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe? Ny fandevilevin’ny kibonao sy ny famindramponao dia voasakana tsy ho amiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere, eny amin’ny fonenanao masina sy be voninahitra. Aiza ny hafanam-po amam-pahefanao, ny fientanam-ponao amam-pamindram-ponao? Niato izany raha ny amiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mba mitsinjova avy eny an-danitra, Tompo ô; avy eo amin’ny fonenanao masina sy mamirapiratra mba jereo izay manjo anay. Nankaiza izao ny fitiavanao miredareda sy ny fahasahianao hiady ary ny fahaizanao mangoraka? Enga anie ny famindramponao, tsy ho sakantsakananao hihatra aminay!
Malagasy Bible 1865
Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere eny amin'ny fonenan'ny fahamasinanao sy ny voninahitrao; aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe? Ny fandevilevin'ny kibonao sy ny famindram-ponao dia voasakana tsy ho amiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitsinjova eny an-danitra ka mijere eny amin’ny fonenan’ny fahamasinanao sy ny voninahitrao: Aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe? Ny fandevilevin’ny kibonao sy ny famindramponao dia voasakana tsy ho amiko.
malagasy