Isaiah 63:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
TOMPO ô, nahoana no nampiala anay hanalavitra ny lalanao Ianao? Sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin’ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahoana izahay, ry Iaveh ô, no dia ataonao maniasia lavitra ny lalanao, ka hamafisinao fo, tsy hatahotra Anao? Miverena, noho ny fitiavanao ny mpanomponao sy ny fokon’ny lovanao!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
TOMPO ô, nahoana re izahay no avelanao haniasia lavitra ny lalanao, sy hampikiry ny fonay tsy hanaja Anao? Miverena noho ny fitiavanao ny mpanomponao, dia izahay foko anjara fanananao.
Malagasy Bible 1865
Jehovah ô, nahoana no nampiala anay tamin'ny lalanao Hianao ka nampaniasia anay sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin'ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
TOMPO ô, nahoana no nampiala anay hanalavitra ny lalanao Ianao? Sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin’ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao!
malagasy
Jehovah ô, nahoana no nampiala anay tamin'ny lalanao Hianao ka nampaniasia anay sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin'ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao.