Isaiah 63:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa tonga tahaka izay tsy nanananao fahefana hatrizay hatrizay izahay, sady tsy mba nantsoina tamin’ny anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, dia hiempo eo anoloanao ny tendrombohitra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izahay hatry ny ela, no efa hoatra ny olona tsy tapahinao akory, sy tsy iantsoana intsony ny Anaranao. Inay Ianao mandriatra ny lanitra, dia midina, - dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa ela izahay no vahoaka tsy nofehezinao sady tsy niantsoana ny anaranao intsony! Enga anie hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anatrehanao ny tendrombohitra!
Malagasy Bible 1865
Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin'ny anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa tonga tahaka izay tsy nanananao fahefana hatrizay hatrizay izahay, sady tsy mba nantsoina tamin’ny anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, dia hiempo eo anoloanao ny tendrombohitra;
malagasy
Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin'ny anaranao akory. Enga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra, [Na: hiempo]