Isaiah 63:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanosihosy irery tao amin’ny famiazam-boaloboka Aho fa tsy mba nisy niaraka Tamiko ny avy tamin’ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin’ny fahatezerako Aho ary nanosihosy azy tamin’ny fahavinirako, dia nipitipitihan’ny rany ny fitafiako ka voalotoko ny akanjoko rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanosy irery teo amin’ny famiazam-boaloboka aho, fa tsy nisy na dia iray aza niaraka tamiko, ny avy amin’ny firenena. Dia nanosy azy ireo aho, nentin’ny hatezerako, ary nanitsakitsaka azy aho nentin’ny fahavinirako; nipitika tamin’ny akanjoko ny ranony, ka voalotoko avokoa ny fitafiako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Izaho irery no nanosihosy ny famiazam-boaloboka fa tsy nisy niaraka tamiko na dia iray aza ireo olona avy tamin’ny vahoakako. Nanosihosy hafa firenena tamin’ny fahatezerako Aho ary nanitsakitsaka azy tamin’ny fahavinirako; dia nipitipitika tamin’ny fitafiako ny rany ka voalotoko ny akanjoko rehetra.
Malagasy Bible 1865
Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho; fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin'ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin'ny fahatezerako Aho sy nanosihosy azy tamin'ny fahavinirako, dia nipitipitihan'ny ràny ny fitafiako, ka voalotoko ny akanjoko rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanosihosy irery tao amin’ny famiazam-boaloboka Aho fa tsy mba nisy niaraka Tamiko ny avy tamin’ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin’ny fahatezerako Aho ary nanosihosy azy tamin’ny fahavinirako, dia nipitipitihan’ny rany ny fitafiako ka voalotoko ny akanjoko rehetra.
malagasy